Ephesians 5

1Noho izany aoka mba ho mpaka tahaka an’ Andriamanitra, tahaka ny zanaka malala. 2Ary mandehana amin’ny fitiavana, araka ny nitiavan’i Kristy antsika ihany koa sy nanomezany ny tenany ho antsika, fanatitra manim-pofona sy sorona ho an’Andriamanitra.

3Fa tsy tokony hisy na dia resaka fijangajangana na karazana fahalotoana na tsy fahononan-tena aza eo aminareo, fa tsy mendrika ny olo-masin’Andriamanitra ireo. 4Aoka tsy hisy mamoafady, resaka adaladala, ary hanihany tafahoatra _ fa tsy mendrika ny rehetra amin’ireo. Fa kosa tokony hisy fankasitrahana.

5Fa afaka mahazo antoka ny amin’izao ianareo, fa tsy hisy mpijangajanga, maloto, na ny mpierina _ izany hoe, mpanompo sampy _ manana lova ao amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra. 6Aoka tsy hisy hamitaka anareo amin’ny teny foana, satria noho ireo zavatra ireo dia tonga amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana ny hatezeran’Andriamanitra. 7Noho izany, aza mikambana amin’izy ireo.

8Fa maizina ianareo fahiny, fa izao ianareo dia fahazavana ao amin’ny Tompo. Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava, 9(fa ny vokatry ny fahazavana dia ao amin’ny fahatsarana rehetra, fahitsiana, sy fahamarinana). 10ary tadiavo izay mahafinaritra ny Tompo. 11Aza mikambana amin’ireo asa tsy mamokatry ny haizina, fa ampiharihario kosa ireo. 12Fa mahamenatra na dia ny manonona ireo zavatra ataon’izy ireo any amin’ny miafina aza.

13Fa rehefa hazavain’ny fahazavana ny zavatra iray, dia lasa miharihary. 14Fa ny zavatra rehetra izay miharihary dia fahazavana. Noho izany dia voalaza hoe: ‘’Mifohaza, ianao matory, ary mitsangàna amin’ny toeran’ny maty, dia hamiratra aminao Kristy.‘’

15Mitandrema amin’ny fomba fiainanao _ tsy tahaka ny tsy hendry fa tahaka ny hendry. 16Araraoty ny fotoana satria izao andro izao dia ratsy. 17Noho izany, aza miadaladala, fa takaro hoe inona no sitrapon’ny Tompo.

18Ary aza manao mamon’ny divay, fa mitondra any amin’ny fahasimban-toetra izany. Fa kosa, aoka ho fenon’ny Fanahy Masina, 19mifampiresaha aminareo samy ianareo amin’ny salamo sy fihirana ary hiram-panahy, mihirà ary mikaloa amin’ny Tompo amin’ny fonareo rehetra. 20Misaora mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika ho an’ Andriamanitra ilay Ray, 21mifanolora tena amim-panajana ho an’i Kristy.

22Ry vehivavy, maneke ny vadinareo, tahaka ny amin’ny Tompo. 23Fa ny lehilahy no lohan’ny vavy tahaka an’i Kristy koa lohan’ny fiangonana, ary Kristy tenany no mpamonjy. 24Fa tahaka ny haneken’ny fiangonana an’i Kristy, dia toy izany koa no tokony haneken’ny vehivavy ny vadiny amin’ny zavatra rehetra.

25Ry lehilahy, tiavo ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy nanomezany azy ny ainy. 26Nanolotra ny tenany ho an’ny fiangonana Kristy mba afahany manamasina azy, tamin’ny fanadiovana azy tamin’ny rano fanasana amin’ny teny, 27mba afahany mampiseho azy ho be voninahitra eo aminy, tsy misy pentina na kentrona na zavatra toy izany, fa masina sady tsy misy diso.

28Tahaka izany ihany koa ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadin’izy ireo avy tahaka ny tenan’izy ireo. Izy izay tia ny vadiny dia tia ny tenany ihany koa. 29Tsy mbola nisy nankahala ny tenany, fa mamahana sy mikarakara izany tsara, tahaka an’i Kristy mamahana ny fiangonana sy mikarakara azy ihany koa, 30satria isika dia ratsam- batany.

31Noho izany antony izany ny lehilahy dia handao ny ray sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary izy roa dia ho tonga nofo iray ihany.‘’ 32Lehibe izany fahamarinana miafina izany _ fa Izaho dia miresaka momban’i Kristy sy ny fiangonana. Kanefa, ny tsirairay aminareo ihany koa dia tokony ho tia ny vadiny avy tahaka ny tenany, ary ny vehivavy dia tokony hanaja ny vadiny.

33

Copyright information for PltULB